• VAOVAOM-PARITRA: TGV IFANADIANA

    TGV IFANADIANA :

    « Lavinay ny fandatsahana olona hiteraka korontana »

    Mandà sy manohitra marindrano ny fandatsahan’ny birao foiben’ny Tgv olona tsy mahafeno fepetra rantsan’ny antoko ao Ifanadiana. 3 septembre 2013

    « Olona efa nifampierana amin’ny rantsan’ny antoko avy eny Ifotony no tokony ho kandidà depiote ». « Lavinay, araka izany, ny fandatsahana olona avy any ambony izay hiteraka adihevitra sy fifandroritana ary ahiana tsy hahazo vato akory amin’ny fifidianana. Ny olona alatsaka fotsiny toy izany rahateo tsy mahalala ny tena zava-misy marina eto Ifanadiana, indrindra raha tsy nipetraka teto akory na avy eto Ifanadiana aza », hoy ireo mpikambana Tgv ao an-toerana.

    Mivonona hanohitra olona tsy mahafeno ny fepetra tena takian’ny Distrika ny Tgv any Ifanadiana. « Ny tena fampandrosoana marina izao no andrasana amin’izay olom-boafidy manaraka eo ka olona azo antoka fa mahalala tsara ny filàna eto Ifanadiana, efa nanao asa ho an’ny vahoaka sy mahay mifanerasera amin’ny mponina sy ny Olobe no heverina fa kandidà mendrika ny Tgv ao anatin’ny Parlemanta », hoy ihany izy ireo.

    Nohazavain-dRavaonirina Irina ihany koa fa miisa 48 840 ny mpifidy efa voaisan’ny Cenit ao Ifanadiana. Efa hatramin’ny volana jolay anefa no simba ny fitaovana fanamboarana kara-panondro ao amin’ny Distrika ka nampiato ny hetsika karatra maimaim-poana any an-toerana ary tsy mbola nisy ny fanamboarana natao. Karatra 3 000 no voalaza fa nihantona ny fanamboarana azy noho ny fahasimban’io fitaovana fanamboarana karatra io. Manao antso avo ny hamerenana amin’ny laoniny ny hetsika kara-panondro, araka izany, ny tenany tsy hahavery zo ireo ampy taona rehetra.

    Marihina fa Distrika manan-karena mampiavaka azy sy tombony betsaka eo amin’ny fambolena sy harena an-kibon’ny tany, tena ahafahana mampandroso azy Ifanadiana saingy nataon’ny mpanao politika fitaovana foana hatramin’izay. Ankehitriny, ny tena fampandrosoana io Distrika misy Kaominina 13 mbola tena faralahin’ny fampandrosoana io no tanjon’ny antoko Tanora Gasy Vonona ao an-toerana, izay Ravaonirina Irina no lehiben’ny departemantan’ny antoko.

    Nanamafy ity farany, fa mila olona tena mahalala tsara ny filàn’ny mponina eny ifotony sy efa manana traikefa amin’ny fanatanterahana asa isan-tsokajiny ary mahay mifanerasera amin’ny mponina any an-toerana i Ifanadiana.


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :