Eklablog Tous les blogs
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU

Publicité

Maputo vu par les femmes

 

                                    Madagascar - Maputo1

 

Vita hatreo aloha ny fifanarahana

Maputo tany mampihavana

Atsahatra kely eo koa aloha ny basy

Fa vita sonia hono ilay taratasy

 

Fehezan-dalàna amin'ny teny vahiny

Mampidonaka ny tsy manan-tsiny

Fa na ny lehibe aza moa mifanditra

Ny dikan-teny anie tovozon-tsy ritra e!

 

Mandeha ila eto ny firenena

Satria maro loatra ny tsindry hazo lena

Ny mandresy lahatra haka ny seza

Dia ny lehilahy miseho azy ho ngeza

 

Fa ny vehivavy nahitana masoandro

Ka noheverina ho silam-panahy,

An-dakozia manao tsara nahandro

Tsy nomena anjara fa mampiahiahy

 

Feno fitiavana anefa ny fony

Marary ny ainy amin'ny ady lava

Fandraisany andraikitra no hampitony

Sy hahatomombana ny efa rava

 

Lolom-po tafahoatra sy ady mahafanina

Vahoaka mahantra mifamono an-toerana

Ny fon'ny reny efa zatra mandamina

No mitondra vaha-olana tsy azo ferana!

 

Koa manainga antsika rehetra handinika

Na lahy na vavy hizara ny anjara

Fa ny vehivavy efa nivoa-dinitra

Mampandroso ny tany, hilamina tsara

 

 

© Rasoanaivo Hanitrarivo - MCPS/PRS 15 Août 2009

      (Inspiration après Charte de Maputo, débat télévisé et réunion VMLF, 14 Août 2009 Androhibe)

 

Publicité
Retour à l'accueil
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article