...Raha mila fanampiana ianao
raha misy tsy mety ny atao...
...Mahantra sy osa, mahantra harena
nefa kosa tsy tia tena
fa vonon-kanampy satria tia
tsy mitady valiny sanatria...

...Fa na ali-mikotroka na oram-baventy
Ho avy tsy ho ela fa vetivety...

...Tsy irery ianao fa misy mahatsiaro
Ka ny halahelo atsaharo...


...Miandry fotsiny, miandry pi-maso
miandry ho kopahin-tanana
fa vonon-kijoro handresy ny akaso
satria izany no tena namana...

...Fihavanana tsy rava no hatao
fa madio sy hamiratra foana
tsarovy akia ê fa any ho any
misy namanao hatrany hatrany...

INAUGURATION CITE ''TRANO MORA'' à TOAMASINA
Texte: parole de chanson du groupe Mahaleo.