• ELECTION PRESIDENTIELLE: La tendence se dégage pour le Candidat TGV

    Congrès du parti TGV

      

    Le parti fondé par Andry RAJOELINA, le Tanora Malagasy Vonona ou TGV, tiendra la semaine prochaine ( 5 et 6 avril 2013) son congrès national dans la perspective des élections présidentielle et législatives à venir.

    Ce grand rendez-vous des partisans du TGV sera l’occasion pour désigner celui qui  portera le flambeau du parti à la prochaine présidentielle.

    Jeudi, 28 Mars 2013 10:28

     

    Thierry RABARY

     Mbola miteraka resabe hatreto ny amin'izay ho kandidàn'ny antoko Tanora Malagasy Vonona (TGV). Toraka izany ihany koa ny fihemoran'ny fotoana hanatanterahan'izy ireo ny kaongresiny izay nambaran'i Thierry Rabary mpikambana ao amin'ny antoko no sady ao amin'ny kaongresin'ny tetezamita fa ilana zavatra masaka tsara sy mirindra mba hampilamina ny zavatra rehetra.

    Fantatra tamin'izany ary fa vonona hiatrika ny kaongresy nasiônaliny izy ireo ; hetsika izay hatao ny 05 sy ny 06 Aprily ho avy izao eny amin'ny Futura Andranomena. An'arivony ireo mpizaika andrasana amin'izany, izay samy haneho ny hetahetam-pony ny amin'izay fanovana mbola tiana hotohizana, ny fanoloana ny mpitantana ny antoko satria manana ny rafitra mampandeha azy ny TGV ary ny drafi-piaraha-monina. Ho fantatra amin'io fotoana io ihany koa izay mety ho kandidàn'ny TGV ary hoporofoin'ny mpikambana fa tsy mizarazara ny hevitr'izy ireo fa miankina amin'izay olona ho voatendry eo satria manana ny fitsipika mifehy azy ny antoko ary tsy hahatafasaraka azy ireo izany. Nambaran-dRabary Thierry moa fa tsy vola, tsy voninahitra, tsy fahefana tsy toerana no manosika azy ireo fa fitiavan-tanindrazana, antony mbola hijoroan'izy ireo mandraka androany.


  • Commentaires

    Aucun commentaire pour le moment

    Suivre le flux RSS des commentaires


    Ajouter un commentaire

    Nom / Pseudo :

    E-mail (facultatif) :

    Site Web (facultatif) :

    Commentaire :