-
Un HOPITAL neuf et aux normes internationales à TOAMASINA
...Raha mila fanampiana ianao
raha misy tsy mety ny atao...
...Mahantra sy osa, mahantra harena
nefa kosa tsy tia tena
fa vonon-kanampy satria tia
tsy mitady valiny sanatria...
...Fa na ali-mikotroka na oram-baventy
Ho avy tsy ho ela fa vetivety...
...Tsy irery ianao fa misy mahatsiaro
Ka ny halahelo atsaharo...
...Miandry fotsiny, miandry pi-maso
miandry ho kopahin-tanana
fa vonon-kijoro handresy ny akaso
satria izany no tena namana...
...Fihavanana tsy rava no hatao
fa madio sy hamiratra foana
tsarovy akia ê fa any ho any
misy namanao hatrany hatrany...
INAUGURATION CITE ''TRANO MORA'' à TOAMASINA
Texte: parole de chanson du groupe Mahaleo.
-
Commentaires
2SOLAYLundi 28 Janvier 2013 à 10:21misaotra sy mangataka vonjy
Tompoko, hita tokoa fa tena olona MAnana ny maha izy azy ianao. Indrindra mikasika ireto vahiny sy ireo iray takomba aminy, amin'ny fangalarana sy fanambakana atao amin'ny Tanintsika. Koa mba mangataka aminao sy ireo mpiara miasa aminao izahay, hijery sy hamoana tanteraka ity zava doza ataon'i Tozzi Green amin'ny fangalarana tany ao Ihorombe ity. Tena zava doza no mitranga ao, ary tsy menatra mihintsy ireo vazaha (Gomez sy ny namany), ny miteny fa manam-bola izy, ary ho voavidiny ny tany, ary ho ataony ho andevony ny Bara... VONJEO IZAHAY AMIN'ITY FANJANAHANA VAOVAO ATAON'NY VAHINY ITY MR; LE PRESIDENT
Ajouter un commentaire
Hiaraka isika ilay hira fa tsy hoe: Raha mila fanampiana. Efa fanampiana be ho an'i Gasikara ireo zavatra betsaka vita tao anatin'ny fotoana fohy ireo. Misaotra Andriamatoa Filoha o!